
Boky fampianarana tarehimarika sy kajy ny olobe, Toko II (teny malagasy) Ity boky ity dia fitaovana fampianarana kajy ny olobe, Toko faharoa, novokarin’ny ONG Louvain Coopération sy ny ONG ALEFA Menabe. Ankoatra ny fampianarana ireo isa vaventy sy tarehi- bola dia misy ny fanazàrana mikajy ho famahàna laza olana, mifanaraka amin’ny asa famokarana sy fiainana an-davanandro (varotra akoho, isan’ny olona miasa tany, fatran-jezika sy ny vola lany, …). Misy ihany koa ireo toro-marika sy fampahafantarana mahakasika ny bokim-bola, ny faktiora, ny rosia ary fampiasàna milina fikajiana.
Hita ao amin’ny tranonkalan’ny Louvain Coopération izy ity amin’ny endriny A4 (doc.182A), toy izany koa ireo boky fampianarana mamaky teny sy manoratra ny olobe (docs. 182C et D).