
Boky fampianarana mamaky teny sy manoratra ny olobe, Toko I (teny malagasy) Ity boky ity dia fitaovana fampianarana mamaky teny sy manoratra ny olobe, Toko voalohany, novokarin’ny ONG Louvain Coopération sy ny ONG ALEFA Menabe. Ankoatra ny fanazàrana mamaky sy manoratra ireo zana-peo sy renifeo tsotra amin’ny alàlan’ny kisary mifandraika amin’ireo asa sy fiainana andavan’andro, ireo fampianarana arosony dia ahitana ihany koa hafatra fanentanana samihafa mahakasika ny tontolo iainana, fahadiovana, sakafo ara- pahasalamana, fankatoavàna ireo dinam- piaraha-monina, …
Hita ao amin’ny tranonkalan’ny Louvain Coopération ihany koa izy ity amin’ny endriny takelaka maromaro (doc.182D), toy izany koa ireo boky fampianarana tarehimarika sy kajy ny olobe (docs. 182A et B).